ActualitésTsidika

Fahasalamana : Nahazo mari-pankasitrahana ireo mpisehatra ara-pahasalamana ao Ambohimangakely

Notanterahina omaly ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpisehatra niara-nisalahy tamin’ny ONG ASOS ao amin’ny fokontnay 18 ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Nanampy teo amin’ny fanentanana tamin’ny covid-19 ary ny tetik’asa Covax niaraka tamin’ny Unicef izy ireo.

« Zava-dehibe tokoa ny vitanareo ho famonjena ny mpiray monina. Mbola mitohy mandrankariva ihany koa ny asa ary tsy mijanona raha tsy fongana tanteraka teo amintsika ny aretina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. « Nahazo mari-pankasitrahana noho ny famonjena aina nataony ireto mpisehatra ireto. Nomena fitaovana ho entina manohy ny asany ihany koa mba hanentanana hatrany ny mponina » hoy ny avy ao amin’ny ONG ASOS.

Mbola misy tokoa ity aretina COVID-19 ity amin’izao na dia mihalefy aza. Tsara raha tohizana foana ny ezaka mba hahafoana azy tanteraka. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire