Kaominina Vilihazo : Nisy ny fampiofanana maimaim-poana momba ny fambolena
Nisy ny fampiofanana maimaim-poana, izay natao tao amin’ny kaominina Vilihazo, notarihin’ny ben’ny tanàna ao an-toerana, niarahana tamin’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ny talata lasa teo. Manakaiky ny taom-pambolena, izay foto-piveloman’ny mponina ao anatin’ny kaominina, ka mba ho fiomanana amin’izany no antony nanomezana izany fiofanana izany.
« Ilaina ny fanomezana fiofanana ny mpamboly, indrindra fa ny any ambanivohitra. Raha jerena ny zava-misy indrindra ny ateraky ny fiovaovan’ny teotr’andro, ilaina ny fanomezana ireo teknika entina miatrika izany mba hanatsarana ny vokatra sy ialana amin’ny faty antoka » hoy i Rodin, teknisianina momba ny fambolena.
« Mialohan’ny hahatongavan’ny orana no tsara handaminana ny asa rehetra, ankoatra ny fiomanana amin’ny fambolena, tsara ihany koa ny hijerana ny lalana izay anisan’ny mampijaly ireo tantsaha rehefa fotoan’ny fahavaratra » hoy i Liva, mpamboly.
Sehatra hiveloman’ny mponina eto Madagasikara ny fambolena sy ny fiompiana, indrindra fa ny any amin’ireo kaominina ambanivohitra, kanefa tsy ampy ny fanohanana ireo tantsaha na eo amin’ny lafin’ny ara-pitaovana na eo amin’ny ara-teknika. Tsy tokony hatao ambanin-javatra io seha-pivelomana io satria miankina aminy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Manitra Ramanantsoa
