ActualitésTsidika

Toe-karena : Mipetraka ny Ivontoeram-pitantanana nankatoavina ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany.

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny Alarobia teo ny fametrahana ny ivontoeram-pitantanana nankatoavina ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany ary mifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia. Notanterahina tao amin’ny foiben’ny SIM ao Analakely ny atrik’asa nahafahana nanatanteraka izany. Ho fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara moa no anton’ity atrik’asa ity.

« Ny tanjona tamin’ity atrik’asa ity moa dia hahafahana mampiditra sy mampijanona ireo mpandraharaha amin’ny sehatry nyb ara-dalàna hatrany. Ny asan’ity ivontoerana ity hatreto dia ny hanome toro-làlana mba hahafahan’ireo orinasa madinika sy salantsalany hivoatra hatrany eo amin’ny sehatra misy azy. Voakasika ao anatin’izany ny toro-lalana eo amin’ny fitantanan-draharaha ankapobeny sy ny fandoavan-ketra », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola.

« Lalana iray mahomby hisitomana ireo mpandraharaha madinika voakasika hampihatra ny fandoavan-ketra amin’ny alalan’ny rindram-baiko E-hetra koa ny tanjona manaraka ato anatin’ity ivontoerana ity. Mora tanterahina, tsy mitaky pitsopitsony toy ny fandoavan-ketra mahazatra ny E-hetra fa vita ana habaka avokoa ny fanefan-ketra. Ny 80 isan-jaton’ireo orinasa madinika sy salantsalany eto Madagasikara hatreto no  mampiasa ny fandoavana hetra amin’ny alalan’ ny E-hetra », hoy hatrany ny fanazavana.

Paikady iray novolavolain’ny SIM (Syndicat des Industries de Madagascar), ny Foibem-pitondrana ankapoben’ny hetra ary ny CSC (Conseil Supérieur de la Comptabilité), entina hisarihana ny mpandraharaha madinika sy salantsalany hiditra ao anatin’ny sehatra manara-dalàna. Entina ihany koa hanatsarana ny fanangonana ny atontam-baovao mahakasika ny fandraharahana ity Centre de gestion Agrée ity ka afaka ny hisitraka izany avokoa noho izany ny orinasa rehetra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire