Ambohimanambola: Nofoanana ireo fanariam-pako tsy ara-dalàna
Nirotsaka an-tsehatra nanadio ary nanafoana ireo fanariam-pako tsy ara-dalàna tao amin’ny fokontany Gara, ny servisy Raoka fako avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ity servisy ity izay miandraikitra ny fahadiovana sy ny fifehezana ny fako ao an-toerana ka ao anatin’ny andrana ny fanatanterahana izany ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao.
“Anisan’ny fepetra takian’ny fahombiazan’ny tetik’asa fifehezana ny fako ny fanafoanana ireo fanariam-pako tsy ara-dalàna misy ao amin’ny faritra misy ny servisy, dia ny fokontany Gara aloha izany hatreto. Rehefa manjifa ny servisy avokoa ny mponina dia tsy misy intsony ny fako miparitaka sy mivangogona etsy sy eroa” hoy ny tomponandraikitra misahana any servisy Raoka fako.
“Maro ny voka-dratsy entin’ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra eto an-toerana ary ny famahana ny olan’ny fako eto amin’ny fokontany dia ilàna rafitra mandray an-tanana tahaka izao. Mila atao mifanindran-dalana anefa ny fanentanana ny mponina mba tsy ho very mandeha izao ezaka izao” hoy I Haja, mponina ao Ambohimanambola.
Anisan’ny vina napetraky ny ben’ny tanàna eto an-toerana ny fifehezana ny fako ato amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ity serviy iray ity izay mandray an-tanana izany manokana ary manao ezaka amin’ny fampiarana izany manerana ireo fokontany ao an-toerana.
Manitra R.
