Fitaterana an’habakabaka : Misy ny fahazahoan-dalana hisian’ny sidina eo amin’ny Maurice sy Afrique du Sud amin’i Madagasikara
Nanome fahazoan-dalana manokana ho an’ny mpandeha avy any Maurice sy i Afrique du Sud ny ministera miahy ny fitaterana. Ireo sidina fampodiana mpihavy sy ireo sidina mitondra tompon’andraiki-panjakana no nahazo ny fahazoan-dalana.
« Nisy ny fangatahana manokana nataon’ireo masoivohon’ny firenena Afrique du Sud sy Maurice. Ho an’ireo mpiray tanindrazana tavela any sy ireo mpihavy, ireo mpiasa avy amin’ireo firenena ireo ny fahazahoana-dalana. Eo ihany koa ireo mpamita iraka avy amin’ny fanjakana sy ny masoivoho » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fitaterana. « Mbola mihantona kosa sidina mikasika ny varotra amin’i Madagasikara sy i Nosy Maurice ary i Afrique du Sud kosa » hoy ny tompon’andraikitra misahana ny varotra. « Mila mitandrina hatrany isika amin’itony sidina itony. Mbola tsy tafiditra eto mantsy ny variant Omicron izay mandripaka ny olona maro any ivelany. Tsy mbola zakantsika izany fihibohana izany ary tokony hiaro tena ny tsirairay » hoy i Gerard, mpahay fiaraha-monina. Ireo nahazo fahazahoan-dalana ihany noho izany no mahazo mandeha.
Tsara raha samy mitandrina ny rehetra na ireo hivoaka na ireo hiditra eto amin’ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
