ActualitésSportTsidika

Alasora: Mitohy ny fanamboarana ny terrain synthétique Ambohidrazaka

Mitohy hatrany ny asa fanamborana ny kianja filalaovam-baolina, terrain synthétique Ambohidrazaka, ao amin’ny kaominina Alasora amin’izao fotoana. Tonga teny an-toerana, nijery ny fandrosoan’ny asa ireo tomponandraikitry ny kaominina, ny fiandohan’ny herinandro teo.

“Mizotra tsikelikely ny asa fanamboarana ny kianja eto Ambohidrazaka, ao anatin’ny fanatanetrahana izany tanteraka ny kaominina Ankehitriny. Anisan’ny ezaka sy fanamby lehibe napetraka ny ahavitan’ity kianja ity mialohan’ny 07 oktobra” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Tena tsara ho an’ny fanatanjahan-tena ny fahavitan’ity kianja ity. Hirariana ny ahavitan’izany soa aman-tsara, mba ho ampiasain’ny tanora, eo ihany koa ny hoe ho reharehan’ny kaominina ny fananana azy” hoy i Fidy, mpilalao baolina kitra.

Araka izany, hitohy hatrany ny asa fanamboarana ity kianja ity. Efa manao ireo ezaka amin’izany moa ireo tomponandraikitra eny an-toerana. Anisan’ny asa mbola miandry amin’izany moa ny fandrakofana bozaka artifisialy ny kianja, ary ny fanatsarana ny pitsopitsony rehetra.

Manitra R.

Laisser un commentaire