Toliara: Maro ireo fananana simba nandritra ny fiakaran’ny ranomasina
Nandrava fananana maro ny fiakaran’ny ranomasina tao amin’ny kaominina Efoetse, distrikan’i Toliara, ny alatsinainy teo. Lakana miisa 80 fampiasan’ny mponina ihany koa no lasan’ny rano, niaraka tamin’ny tahirin-trondro sira sy vola mitentina 4 tapitrisa ariary, izay an’ny mponina mpanao voamamy ao an-toerana. Ankoatra izay, trano miisa 80 no rava vokatry ny fiakaran’ny ranomasina. Manodidina ny 244 ireo tsy manan-kialofana any an-toerana.
