Andrainjato : Trano fonenan’ny mpianatra ampahany amin’ny Prefat no may
Trano fonenan’ny mpianatra ampahany amin’ny Prefat tao Andrainjato no may ny asabotsy 03 septambra 2022 lasa teo. Mbola tsy fantatra mazava ny fototra niavian’ny afo, ny hita mivantana teny an-toerana dia saika tapitra may avokoa ny entan’ireo mpianatra mipetraka amin’ ireo trano niharam-boina ireo ary efa tonga tany an-toerana ihany koa ireo sampana mpamonjy voina.
