Fanatanjahantena : Ofisialy tanteraka ny fialan’ny Nicolas Dupuis tsy ho mpanazatra ny Barea intsony
Dépêche 19 avril, 11h, Efa andro maromaro izay taorian’ilay lalao farany izay nataon’ny Barea teo iny no nametra-pialana tsy ho mpanazatra azy ireo intsony i Nicolas Dupuis. Nambara tamin’ny fomba ofisialy omaly fa niala tanteraka tsy ho mpanazatra ny ekipam-pirenena intsony ny tenany. Ho fantatra afaka andro vitsivitsy ny hisolo ny toerany hoy ny avy ao amin’ny FMF. Hatreto dia i Coach Rôrô no fantatra fa hitondra ny Barea any amin’ny lalaon’ny Nosy ary i Amada Aboudou kosa no hitondra ireo any amin’ny Cosafa U20 sy ny lalaon’ny Frankofonia. Hisaorana hatrany ity mpanazatra ity tamin’ny zava-bitany hatramin’izay
