Fahasalamana: Hisy ny rafitra manokana handray ireo fitarainana ao amin’ny Ministera
Dépêche 31 mars, 10h30, Hisy ny rafitra manokana handray ireo fitaraina rehetra hataon’ny olona ao anatin’ny kaonty Facebook izay tantanan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Handrafitra izany ireo solontena tsirairay amin’ny sehatra sy ny programan’asan’ny Ministera. Marihina fa io kaonty facebook io dia mandray ireo fitarainana sy tolo-kevitra samihafa avy amin’ny vahoaka amin’ny fanatsarana ny fandraisana ny tolotra eo anivon’ny hopitalim-panjakana eto Madagasikara.
