Ambohimangakely: Manentana amin’ny fanajana ny fahadiovana ny kaominina
Nanomboka ny asa firotsahana an-tsehatra amin’ny fanalana ireo fako mivangongo tao an-toerana ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely. Nisy araka izany ny fanentanana sy ny fandaminana ny mponina ny amin’ny tokony hanajana ny fahadiovana, indrindra ny fandrindrana ny fako ao an-toerana.
« Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina izao hetsika fanadiovana sy fanalana ny fako izao. Koa ao anatin’izany indrindra no hanaovana fanentanana ny mponina tsirairay mba hanaja sy hanaraka ny fandaminana eo amin’ny ora fanariana fako mba hahafahana mandrinda sy manaramaso ny fanalana ireo fako eny amin’ny toera-panariana izany » hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.
« Zava-dehibe tokoa izao fandraisana andraikitra ataon’ny kaominina izao. Hirariana mba haharitra ny fampiarana izany fa tsy handalo fotsiny ihany satria ny fako iaraha-mahafantatra fa miteraka olana eo amin’ny mponina foana. Ary ny fampiharana ny sazy ihany koa mba hisy vokany » hoy i Tafita, mponina ao Ambohimangakely.
Ao anatin’izany fandaminana napetraky ny tomponandraikitra izany moa dia ny maraina manomboka amin’ny 5ora ka hatramin’ny 8ora maraina no fotoana hanariana fako. Amin’ny 05ora hariva hatramin’ny 08 ora alina kosa ny hariva. Hisy moa ny sazy enjana ho an’ireo izay tsy manaraka izany.
Manitra R.
