Voambolana : Inona moa ny « Marakely » ?
Ny « Marakely » dia sokaji-miaramila iray tao an-dRova izay natokana hialoha làlana ny Mpanjaka isaky ny misy fivoahana ofisialy nataony (garde d’honneur). Salaka fotsiny no nanaovan’izy ireo tany am-boalohany ary nilanja lefona sy ampinga. Anisan’ny antony niantsoana azy ireo hoe « Mpiloka lefona » izany tamin’izany. Nanomboka teo tamin-dRanavalona II kosa vao nampanaovina fanamiana toy ny tatsambo izy ireo, nanao akanjo lava tanana mitsipika manga ny ambony ary sikina am-balahina ny ambany.
Anisan’ny nampiavaka ny Marakely ny dihy mampiady lefona nantsoina hoe « Asa ampinga ». Araka ny tantara lazain’ny firaketana dia ny « Tanala » no tena nitondra izany dihy izany teto Imerina tamin’ny andron-dRanavalona II, ka nampianatra ireo Marakely izany. Ny « Asa ampinga » moa dia karazana fihetsehana miovaova endrika mandry amin’ny baiko, atao amin’ny ampinga sy ny lefona. Misy ireo miantso azy hoe « Dihy Marakely ».
Hasina Rasamimanana
