Royaume-Uni : Iza amin’ny Elizabeth Truss sy Rishi Sunak ihany no hahazo ny toerana ?
I Liz Truss nahazo vato 113 sy Rishi Sunak, nahazo vato 137 no hifanadrina haka ny toeran’ny praiminisitra Boris Johnson. Nihintsana tamin’ny fifaninana kosa i Penny Mordaunt ny alarobia teo, rehefa nahazo ny fanohanana vitsy indrindra tamin’ny latsa-bato fahadimy tamin’ireo antoko Conservative Party (vato 105).
Raha ny fampitam-baovao kosa dia faraharatarany ny 5 septambra izao no ho fantatra ny valim-pifidianana farany ahafatarana izay hisahana io andraikitra io. Ny mpikambana ao amin’ny antoko Conservative Party moa no tompon’ny teny farany amin’izany.
