Andranomanalina : Ankohonana iray mamadika « sachet » ho solika
Ankohonana iray ao Andranomanalina ry Karl Fabrice. Raha ny fanadihadiana nataon’ny haino aman-jery iray ny taona 2019 tao an-tokantranon’izy ireo dia miasa mamadika « sachet » ho solika io ankohonana io.
« Sachet » fonon’akanjo avy eny Behoririka no ampiasaina amin’izany asa izany. Alefa ao anaty daba amina maripana hatrany amin’ny 400° any ny « sachet ». Mivadika ho ranony sy entona izany ary io ny ranony io no atao solika ary ny entona azo kosa dia atao’ireo fahandroana sakafo. Mbola misy ihany koa ny faikany azo amin’izany lasa tara (goudron) azo hanamboarana lalana.
Ahazoana lasantsy 8 Litatra ny fako « sachet » 12 kilao raha ny fanazavan’izy ireo. Tsara tohanana ny tetikasa toy ny an’io ankohonana io.
Marihina fa efa maro ireo manatanteraka tetikasa toy izany any ivelany, toy ny tetikasa Whitby ao Toronto. Anisany vahaolana maharitra hiadiana amin’ny fako plastika sy ny tsy fahampian’ny solika izany.
Nicole Rafalimananjara
