Alasora: Nirotsaka an-tsehatra nanao fisafoana ireo polisy nandritra ny fahatapahan-jiro
Manoloana ny fahatapahan-jiro misesisesy, indrindra ny hariva tao amin’ny kaominina Alasora, ny faran’ny herinandro teo dia nirotsaka an-tsehatra, nanatanteraka fisafoana ireo polisy avy ao an-toerana.
« Nandritra ny oran’ny fahatapahan-jiro dia tsy nitsahatra nanao fisafoana ireo polisy avy ao amin’ny commisariat de sécurité publique eto Alasora. Natao izany mba hisian’ny fitoniana sy tsy hampitaintaina ny vahoaka, anaty haizina » hoy ireo avy amin’ny polisy ao an-toerana.
« Hisaorana ny polisim-pirenena hatrany ny fandraisana andraikitra. Ny mpitandro filaminana tokoa sisa no hantenain’ny vahoaka amin’izao andro sarotra hiainana izao fa na ny fandriampahalemana na ny sosialy, ny resaka jiro efa araka ny tokony ho izy intsony » hoy i Harison,mponina ao Alasora.
Manao ezaka hatrany ny avy ao amin’ny polisim-pirenena ahafajan’ny vahoaka miaina am-pilaminana. Ny tanjon’ireto farany ihany koa izay hanakaikin’ny vahoaka mandrakariva.
Manitra R.
