Kere : Mila ampiana ny fanantenana ao amin’ireo mponina any Atsimo, tsy irery akory izy ireo
Tonga nijery vahaolana maharitra ho an’ny kere any Atsimo ny fikambanana Ambanivolo Miakatra sy Aiñy Araiky. Zava-dehibe tokoa ny firaisan-kina eo amintsika samy mpiray tanindrazana.
« Ny vohin-kava mahatratra. Faly izahay avy ato amin’ny fikambanana mitondra izay kely voarambin’ny tanana ho an’ireo longontika eto amin’ny Fokontany Ampary » hoy ny mpitarika ny fikambanana, Zaylahy Rodriguez. « Rano 27 500 litatra, katsaka 120 kilao, mangahazo 120 kilao, tsaramaso 60 kilao, pakopako 2 100 isa, ary bisky 3 000 isa no nozaraina teto. Fianakaviana 1 000 mahery eo no nisitraka ireo vatsy nozaraina ireo » hoy ny sefo Fokontany ao Ampary. « Mila antsika ireo havantsika aty Atsimo. Mila ny fanohanantsika izy mba hampitsiry ny fanantenany ao anatiny » hoy i Fidy, mpahay fiarahamonina.
Ny firaisan-kina tokoa no hery. Tsy misy hafa-tsy isika vahoaka samy vahoaka aloha no tena tokony hifanohana.
Nicole Rafalimananjara
