ActualitésTsidika

Efa miomana amin’ny fizahantany ny ao Nosy Be

Mbola tsy nisy ny fanambarana mikasika ny famahana ny sisin-tany, noho izany mbola tsy miasa ihany koa ny ankamaroan’ireo mpisahatra ara-pizahantany eto amin’ny Nosy. Efa manomboka miroso kosa anefa ny fanomanana ny fandraisana ireo mpizahantany hoy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao Nosy Be Hell-Ville.

Eny fa na dia mbola tsy niteny aza ny filoh afa misokatra ny sisin-tany dia efa hiomana izahay satria efa nanome toky izy fa handray vahaolana ho anay hoy ny tompona trano fandraisam-bahiny iray ao Nosy Be. Nisy ny fotoam-pivoriana niarahana tamin’ny CCO tany an-toerana ho fandraisana ny fitarainana sy ny fangatahan’izy ireo amin’ny lafin’ny fizahantany. Izany dia mba hahafahana mijery izay vahaolaana mifanandrify amin’izany hoy ny Filohan’ny Antenimieran-doholona.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire