ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Fisolokiana mpivarotra koba avo lenta

Misy misoloky ny fivarotan-koba ao Talata Volonodry amin’izao. Sehatra tena miroborobo tokoa mantsy ity fivarotan-koba ity.

« Tena mila mitandrina isika mpivarotra koba rehetra eto talata volonondry. Tranga mampalaelo sy fisolokiana avo lenta no nahazo an’ireo mpivady izay mpanambotra sy mpivarotra koba. Lasan’ilay ramatoa avokoa ny koba sy ny vola » hoy i Bejamin, mpivarotra koba ao Talata Volonondry. « Ramatoa iray manitra ranomanitra be mihintsy no niresaka taminay. Nanao kaomandy koba maro izy. Tena tahaka ny tratran’ny fandraikiraikena izany izahay mivady noho ilay fofona ranomanitra. Nanomboka tsy tompon’ny tenanay intsony. Nataonay izay nolazainy rehetra » hoy izy mivady voasoloky. Tena mila mitandrina tokoa ny mpivarotra koba rehetra amin’izao. Fivelomana io ary faty antoka raha very ny entana amidy.

Mila fandraisana andraikaitra avy amin’ny fanjakana ihany koa hiarovana ireto mpandraharaha ireto.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire