ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mandeha tsara ny fanatanterahana ny Tsena Mora

Matetika tokoa ny Tsena mora ao Ankadikely Ilafy. Ny Fokontany Ilafy indray mantsy izao no nisitraka izany ny 1 Martsa lasa teo.

« Ny vidin’ny vary iray kilao dia 1000 Ariary, izay ferana ho 5 kilao isan-tokantrano. Ny menaka kosa dia jifaina 5000 Ariary ny litatra. Tena mahavaha ny olan’ny mponina tokoa ny fisian’izy ity manoloana ny fiakaran’ny vidm-piainana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.  « Entanina hatrany isika mpanjifa hanaja ny lamina apetraky ny tompon’andraikitra eny an-toerana. Manara-maso hatrany ny fanatontosana izany hatrany izahay mba ho mangarahara ny fanjifana azy » hoy ny avy ao amin’ny Minsiteran’ny Varotra.

Efa saika nahazo ity Tsena mora ity avokoa ny fokontany tao amin’ny kaominina. Ezahina hatrany ny hisiany mba hanampiana ny mponina ety ifotony.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire