Viliahazo : Namboly hazo ny kaominina
Nanatanteraka fambolen-kazo ny tao amin’ny kaominina Viliahazo Avaradrano. Fandraisana anjara amin’ny fanarenana ny tontolo iainana no adidy ho an’ny firenena izao nataony izao.
« Zana-kazo fihinamboha sy zana-kazo hafa miisa 1 500 fototra no vita. Ny avy ao amin’ny Andry Fototra ho an’ny Fampandrosoana (AFF) no nanome ny zana-kazo » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Viliahazo. « Hiara-manarina ny firenena. Hiara-misalahy ny fampandrosoana. Tsara foana ny maneho ny firaisan-kina mba hisian’ny fandrosoana » hoy Ravatomanga Haingo, filohan’ny AFF.
Betsaka ireo nanome tanàna nandritra io hetsika fanamaitsoana ny tanànan’i Viliahazo io. Fotoana ihany koa izao handraisan’ny tsirairay andraikitra ho fanamaitsoana ny tanindrazana.
Nicole Rafalimananjara
