ActualitésTsidika

Nosy Be : Niova endrika ny tanàna

Vita tara ny lalana maro ao antampon-tanànan’i Nosy Be amin’izao fotoana izao. Nanatsara sy nanova endrika ny tanàna mihitsy ny fahavitan’izany. « Lalana mirefy 1km300 no natao tara. Efa vita ny asa ankehitriny. Eo ihany koa ny lalana Ampoaha mirefy 6 km sy mampitohy an’i Fascène amin’i Madiro izay mirefy 24 km » hoy ny tompon’andraikitra any Nosy Be.

« Lalana mirefy 31 km no vita teto Nosy Be. Tafiditra tao anatin’ny vinan’ny fitondrana ity lalana ity » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny asa vaventy. Zava-dehibe ho an’ny tanànan’i Nosy Be tokoa ny fahavitan’ity lalana ity. Hinoana fa hampiakatra hatrany ny tahan’ny fizahantany ny fahavitan’izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire