Actualités

Palestine : Andrana fanafihana tao Cisjordanie, Palestiniana iray maty.

Palestiniana iray no maty taorian’ny andrana fanafihana miaramila israeliana niseho tao Cisjordanie, ny alatsinainy 26 janoary. Antsy no fitaovana nentina nanafihana ireo miaramila ireo, raha ny voalazan’ny tafika israeliana sy ny ministera palestiniana misahana ny fahasalamana.

Nanandrana namono ireo miaramila israeliana misahana ny fanaraha maso ny sampanan-dalan’ny Gitai Avisar, akaikin’I Naplouse, avaratr’I Cisjordanie, ilay palestiniana no hitan’ireo miaramila hafa, araka ny fanambarana nataon’ny tafika israeliana. Manamboninahitra israeliana iray no nitifitra ka nahafaty ilay palestiniana. Tsy nisy naratra kosa ireo miaramila hoy ny solontenan’ny tafika israeliana. Ankilany kosa, manambara ny ministera palestiniana misahana ny fahasalamana fa naharay vaovao mahakasika ny famonoan’ny tafika israeliana olom-pirenena iray ny tenany, nefa tsy nojereny teo no eo ny mahakasika ilay olona. Raha tsiahivina, faritany palestiniana I Cisjordanie, hatramin’ny taona 1967. Maherin’ny 450 000 kosa ireo israeliana monina tsy ara-dalàna any an-toerana raha araka ny lalàna iraisam-pirenena ao Cisjordanie izay ahitana palestiniana miisa 2,8 tapitrisa amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire