Allemagne : Fanafihana tamin’ny antsy tao Francfort.
Olona maro no naratra ny 26 janoary maraina, taorian’ny fanafihana mita-piadiana (antsy). Tao amin’ny seranandalamby tao Francfort (ny lehibe indrindra ao Allemagne) no nitranga ity fanafihana ity, raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana. Olona iray, ahiahiana ho nahavanona ny loza, no nosamborina. Mbola tsy fantatra na ny isan’ny olona naratra na ny antony nanaovana izao fanafihana izao.
