Anjeva Gara : Tratra ireo jiolahy
Manao ny asany manoloana ny tsy fandriam-pahalemana ny Zandary ao Anjeva Gara. Voasambotra ireo jiolahy mpanao ny asa ratsiny amin’iny faritra iny. Nanaovana vela-pandrika izy ireo.
« Isaorana hatrany ireo tsara sitra-po manampy ny mpitandro filaminana amin’ny fanomezana loharanom-baovao mba hahatratrarana ny ratsy eto amin’ny tanàna » hoy ny zandary ao Anjeva Gara. « Tsy misy avy eto amin’ny kaominina akory ireto olon-dratsy tratra ireto fa avy any Ikianja Avaratra sy Ambohimangakely avokoa izay ato anatin’ny Disitrika Avaradrano ihany » hoy ny solontenam-panjakana any Anjeva Gara. « Tsara fa tohizo ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana ary miandry hatrany ny vokatra izahay mponina taorian’ireny fanafihana niseho teto an-tanàna ireny » hoy i Estelle, mponina ao Anjeva Gara.
Efa natolotra ny fitsarana ireto olon-dratsy, ary nahiditra am-ponja avy hatrany. Mbola karohina kosa ireo roa lahy mpiray tsikombakomba aminy. Na izany aza anefa dia mila mailo hatrany isika mponina fa mbola mihaodihaody any ho any ireo namany tsy mbola tratra.
Nicole Rafalimananjara
