SocialTsidika

Tratra ilay sarimbavy mpangalatra voninkazo tany Andoharofotsy

Isan’ny voninkazo be mpankafy sy ambony vidy ny karazam-boninkazo anthurium. Lehilahy iray sarimbavy no tratra ho tompon’antoka tamin’ny fangalarana io karazam-boninkazo iray io tany Andoharanofotsy.

Raha tsiahivina mantsy dia notafihana mpangalatra ny tokantrano iray ary lasany ny « anthurium » ao anaty tavy roapolo ny 20 may lasa teo. « Na dia efa ela ihany aza no nitrangan’ny loza dia tsy natao ho afa-maina ny ratsy fa tsy maintsy enjehina hatrany mba hisian’ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena » hoy ireo mpitandro filaminana ao amin’ny Brigady Andoharanofotsy.

« Ity olona tsy vavy tsy lahy ity no tratra ary mbola karohina ny namany hafa satria tsy ho vitany irery izao asa ratsy izao » hoy i Lova, mponina any Andoharanofotsy. « Mpivarotra voninkazo ity tratra ity ary efa in-betsaka aho no nividy voninkazo tany aminy, voninkazo halatra kay ity amidiny » hoy i Samoelisoa, mponina eny amin’ny manodidina. Marihina fa misy mahatratra an-tapitrisa ny vidin’ny voninkazo anthuriums iray. Efa ao anatin’ny sehatra amin’ny voninkazo ihany koa ity tratra ity ka mora taminy ny niafina nandritra izay fotoana maro izay saingy tsy naha lehilahy azy ny manam-pahefana teto.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire