Misy ihany ireo fiara mpitatitra manaja ny mpandeha
Tsy vitsy ireo olona mitaraina amin’ny ataon’ireo fiara mpitatitra amin’ny mpandeha manodidina an’Avaradrano iny. Misy ihany anefa ireo mpitatitra manaja ny mpandeha ary manara-dalàna tsara saingy azo lazaina ho mbola vitsy izy ireny.
« Madio mahafinaritra ny tao anatin’ilay fiara zotra 109 mampitohy an’Ambohitrarahaba sy Anosy ary mahay manaja ny mpandeha tokoa ilay mpanampy ny mpamily » hoy i Hortence, mipetraka any Ambohitrarahaba. « Misy ireo fiara mandefa hira mamelombelon’aina vao maraian sy mandefa hira malefa ao anatin’ny fiara fa tsy tahaka ny sasany vao maraina dia soukousy » hoy i Valérie, mpianatra monina eny Ambohitrarahaba. « Handroso sy hiadana ihany ny firenena raha hita taratra eny an-dalana rehetra eny ny fanajana ny mpiray tanindrazana indrindrac fa any anaty fiara fitateram-bahoaka » hoy i Fidison, mpandala ny hay fiarahamonina.
Miseho amin’ny endrika maro tokoa ny fanajana ny mpandeha toy ny fanajana ny hafainganam-pandeha, ny fanajana ny mpandeha amin’ny alalan’ny teny sy ny fihetsika. Raha manao toy izany avokoa ve ny mpamily, ho afa-po tokoa ny mpandeha ? Mila asandratra tokoa ny tsara amin’izay mietry ny ratsy.
Nicole Rafalimananjara
