SocialTatitra

Avy aiza tokoa ny andro iraisam-pirenena ?

Misy andro iraisam-pirenena ho an’ny lohahevitra iray matetika isan’andro. Ahitana andro iraisam-pirenena ho an’ny zavatra tena goavana, hatrany amin’ny zavatra tsy misy dikany indrindra, toy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny lamba fifafa.Efa maherin’ny 500 ny andro iraisam-pirenena, misy amin’izy ireo no ankalazaina miaraka ary ny volana martsa no feno ndrindra. Maherin’ny 140 kosa ny andro iraisam-pirenena voarakitra ao amin’ny firenena mikambana.Ny fikambanana no tena mametraka ny andro iraisam-pirenena ary voalohany amin’izany ny ONU. Misy karazany roa nefa ny fametrahana azy. Ny voalohany avy amin’io fikambanana io, saingy avy amin’ireo efa manana ny lazany toy ny ONU, OMS, Unesco, ONG samihafa na fikambanana malaza samihafa. Matetika dia antony iombonana ny apetrak’izy ireo ho andro iraisam-pirenena, toy ny 8 martsa, andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Ny faharoa dia ny andro iraisam-pirenena avy amin’ireo olon-tsotra sy ireo orinasa samihafa izay mifandraika amina tantara na daty manan-tantara matetika toy ny 1 aprily andro iraisam-pirenena ho an’ny hanihany (fetin’ny lainga) izay mifandraika amin’ny tantaran’ny mpanjaka Charles IX.Afaka mamorona andro iraisam-pirenena avokoa ny olona tsirairay, mila mahay manohana ny antony sy manana fahafahana fotsiny. Tsy misy fepetra be arahina na rafitra arahina amin’ny famoronana azy.

Laisser un commentaire