Fanampiana ara-pitaovana ireo mpanjono ao Beloha Androy
Anisan’iro seham-pihariana miroborobo tokoa ary mahavelona na any amin’ny tontolo ambanivohitra na any amin’ny Faritra ny sehatry ny jono. Sehatra ahitana lalam-barotra makany amin’ny tsena ivelany ihany koa izy io.
Izany indrindra no nahatonga ny fitondram-panjakana amin’ny lalan’ny FDA na ny Fonds du Développement Agricole hanampy ara-pitaovana sy fanohanana ara-teknika ny fikambanan’ireo mpanjono mba ho fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fampiankarana ambony ny farik’aren’ny Faritra misy azy ary indrindra indrindra mba hentina hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
« Sehatra azon’ireo mponina any amin’ny Faritra trandrahana tsara raha ity seham-pihariana ity noho ny any manana ranomasina midadasika izay afaka trandrahan’ireo olom-pirenena malalaka tsara » hoy ny tompon’andraikitra avy any amin’ny Ministera. Nanamafy kosa anefa izy ireo fa na eo aza ny fahafana mitrandraka malalaka io sehatra io dia aoka tsy ho adinoina fa misy ny lalana mifehy ny jono sy ny harena anaty rano eto Madagasikara « lalàna N°2015-053 ».
« Tanjona ny fampahafantarana an’ireo mpisehatra rehetra an’io lalàna io sy ny fanavaozana n°2018-026 ary ny fampiharana izany manerana ny nosy »hoy ihany ireo tompon’andraikitra.
« Zava-dehibe ho anay mpiandriaka izao fanomezana nataon’ny fanjakana izao ary isaorana azy ireo manokana izany, hita tokoa fa fanjakana mitsinjo ny vahoaka madinika sy tena midina ifotony ity fitondrana ity »raha ny voalazan’i Tsihiva, mpikambana ao amin’ny fikambanan’ireo mpanjono. »Maro ihany koa ireo seham-pihariana tokony ho raisana an-tanana sy jerevana manokana ary tena mila fanarenana »hoy kosa i Stéphane.
Fanja Rakotoarisoa
