ActualitésTsidika

Alasora : Nahazo efitrano fianarana vaovao ny Lycée TASC

Ny fiaraha miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina no nahatsanganana izao efitrano vaovao ho an’ny Lycée Alasora izao. Efa ela no niandrandra ziany ireo tompn’andraikitra sy ireo mpiaantra noho ny fahateren’ny toerana ka izao izy tanteraka soa aman-tsara izao.

Efitrano mahazaka mpianatra 200 isa izany vao vita izany ka noho izany dia afaka mampisitra mpianatra maro indray izany ny sekoly manomboka ny taona ho avy io satria dia tombontsoan’ny rehetra no katsahina amin’izany. Izy ity no toa dia noho ny fiaraha maisa teo anivon’ny Ministeran’ny fampinarana, ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Avaradrano, ny Lycée TASC, ny Fiangonana Orthodoxe Alasora, ny orinasa SSGM ary ny Kaominina Alasora. Ahitaan taratra ny firaisam-po sy fananana tanjona mitovy ho an’nyf aritra iray izao fiaraha miasa main’ny fanjakana sy ny tsy miankina izao.

« Goavana izao zava-bita izao, tsy vitan’ny olona iray izy ity fa efa niaraha-miasa ary natolotra ny mponina rehetra eto Alasora, mendrika izany ny mponina sy ny ankizy mpianatra. Fananana iombonana ka ilaina hatrany ny fikojakojanaa ho an’ny taranaka mifandimby », hoy ny Ben’ny tanànan’Alasora. « Izao no midika fa tsy misy mahavita tena izany fa ny fiaraha-miasa ho ilaina hampandrosoana firenena. Ny fiandrasana fanampiana lava avy amin’ny any ivelany io koa manko mampikatso, eny fa na ny resaka fampianarana io aza », hoy kosa i Rosa, mponina ao Alasora.

Maneho fa ilaina hatrany ny fisian’ny 3P na ny Partenariat Public Privé ary tena ahazoana tombony izany ho an’ny olona tsirairay. Toy nyn fiainana andavan’andro izay tsy vitan’ny fiolonolonana fa ilaina foana ny fivelarana sy ny fifandraisana amin’ny hafa.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire