Mitohy ny fanadihadihana mikasika ny nahamay ny ONE
Natomboka ny fanadihadihana sy ny famatarana manokana ara-teknika sy ara-tsiatifika mikasika ny haitrano teny anivon’ny “Ofiice National de l’Environnement” ,herintaona lasa izay. Izany dia mba hamenoana ny fanadihadihana efa nataon’ireo mpitandro filaminana ka ireo manam-pahaizana manokana no hanatanteraka izany.
Ny fiadidiana ny Primatiora sy ny Ministeran’ny tontolo iainana no nametraka ny fitoriana amin’izao fahamaizana izao. « Tsy mamela izao resaka izao fotsiny ny fanjakana sy ny Ministera fa manaraka hatrany ny zavatra tena nitranga marina, tokony efa ela no nidinana ifotony tety an-toerana saingy teo ilay valan’aretina », hoy Raharinirina Baomiavotse Vahinala, Minisitry ny tontolo iainana. Hokarohina sy ho fantarina ny anton’ny fahamaizana amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana manokana entin’ireo manam-pahaizana Malagasy momba ny fahamaizana.
« Mila fantarina ny tena antony marina tena nahatonga ny afo, mila fikarohana tokoa izany izay efa natomboka saingy mbola tsy azo havoaka aloha hatreto raha tsy voaporofo mazava » hoy Razafindratandra Eric, manam-pahaizana manokana momba ny fahamizana. Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanadihadihana ary miasa malalaka izy ireo ka antenaina ny ahitana ny marina satria isan’ny vakoka sarobidy ny ONE.
« Misy taratasim-panjakana maro may tato ary ho atao lesona ny fahafantaran’ny rehetra ny tena nahamay azy mba hisorohana ny amin’ny manaraka » hoy ny tale jeneralin’ny ONE, Rakotoson Rija Herisolo.
Raha tsiahivina dia ny jolay 2020 lasa teo no nahamay ny ONE teny Antaninarenina.
Nicole Rafalimananjara
