ActualitésTsidika

Fanadiovana: Nampitomboana ireo fiara mpitatitra fako eto Antananarivo.

        

Vanim-potoan’ny fahavaratra, maha-betsaka ny vokatra miakatra indrindra fa ny voankazo ka mahatonga ny fako mitombo vetivety sy mivangongo eo amin’ny toeram-panariana fako iray. Noho ny havitsian’ireo fiara sy fitaovana hampiasaina hikirakirana ny fako ihany koa anefa dia lasa miparitaka loatra izany fako izany ka izany indrindra no nitadiavan’ny Kaominina Antananarivo RENIVOHITRA vahaolana tamin’ny fanampiana ireo fitaovana.

“Manatanteraka asa fanadiovana goavana ny tanànan’Antananarivo miaraka amin’ny Faritra Analamanga sy ny Ministeran’ny rano, fanadiovana sy fidiovana, manoloana ny fiangonan’ny fako nateraky ny tsy fahampin’ny enti-manana. Maro ny vahaolana naroso ka tao anatin’izany ny fampiasana ireo sarety kely hitatitra fako, ny fampitomboana ireo fiara mpitatitra fako ary ireo fiara lehibe mpandraoka fako”, hoy ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

“Betsaka loatra ilay fako ary tena miteraka fofona ratsy sady mandoto tanana. Raha ny eritreritro aloha amin’izao fotoana izao dia tokony ho asa androa aman’alina mihitsy ny manala ireo fako ireo fa miteraka aretina sady mampiasy embouteillage foana no mandratsy endrika ny tanàna sy ny manodidina ny fivarotanay”hoy i Eliane, Mpivarotra eo Behoririka.

Faritra miisa 5 no nanombohana ny asa fanadiovana ka ary toeram-panariana fako miisa 97 no madio tanteraka. Mbola hitohy amin’ireo faritra rehetra hafa izany. Raha mitotaly 267 moa ny isan’ireo bac fanariam’pako eto Antananarivo dia 21 amin’ireo no tena feno mihoatra ary 81 no feno. Izany rehetra izany dia mitaky ny faharetan’ny tsirairay hampandrosoana ny asa sy hahafahana manafaingana izany asa izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire