Actualités

Rugby Maki vehivavy: Hanainga ny 4 septambra ho any Afrika atsimo

02 septembre, 13h00, Amin’ny alahady 4 septambra izao no hanainga eny amin’ny seranam-piara-manidina Ivato ireo mpilalao rugby Maki vehivavy “Maki Ladies”. Hiatrika ny fiadina ny amboara maneran-tany eo amin’ny taranja rugby lalaovin’olona fito izy ireo mandritr ny telo andro. Atao any Cap Town, renivohitr’I Afrika atsimo, manomboka ny 9 septambra ka hatramin’ny 11 septambra ho avy izao izany lalao izany.

Laisser un commentaire