Russie : Tsy mbola resy tamin’ny MMA i Khabib Nurmagomedov
Teraka ny 20 septambra 1988 tao Makhatchkala i Khabib Nurmagomedov. Mpikatroka MMA ny tenany izay terantany « daghestanaise » avy ao amin’ny foko Avar.
Manana fahaiza-manao amin’ny hay ady samihafa i Khabib Nurmagomedov izay tsy mivoana lavitra ny MMA. Tompondaka eran-tanin’ny « sambo » izy, fehikibo mainty amin’ny « judo » ary mantihanina amin’ny tolona. Miady ho an’ny UFC kosa izy teo anelanelan’ny taona 2012 sy 2020 teo amin’ny sokajy lanja maivana. Tompondaka teo amin’izany sokajiny izany izy ny taona 2018 ary niaro io toerana io nandritra ny 3 taona talohan’ny nisotroany ronono teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena.
Tsy mbola resy tamin’ny fifananana MMA nokatrohany i Khabib Nurmagomedov. Efa resiny avokoa na i Dustin Poirier na i Connor McGregor. Mahatratra 29 kosa ny fandresena efa azony.
