Afrique : Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary
Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary ao amin’ny firenena maromaro aty Afrika atsimo, toa any Bénin, Burkina Faso. Olana lehibe ho an’ireo firenena izany satria miakatra manaraka izany ihany koa ny fidim-piainana sy ny filàn’ny mponina amin’izao fotoana. Mety ho tonga hatrany amin’ny olana ara-tsakafo izany atsy ho atsy. Anisan’ny olana nahatonga izany fiakarana izany ny fanapahan-kevitry ny praiministra Indianina, Narenda Modi, izay nanatsahatra ny fanondranana vary amin’ny firenena hafa mba hitsinjovana ny tsena anatiny ao Inde sy ny mety ho tsy fisian’ny vary afaka fotoana vitsy. I Inde izay firenena mpamatsy sy mpanondra vary amin’ny firenena maro maneran-tany.
