La Réunion : Mahatratra hatramin’ny 100millions d’euros ny fahavoazana vokatry ny rivo-doza Belal
Anisan’ny niteraka fahavoazana lehibe ho an’ny nosy La Réunion ny fandalovan’ny rivo-doza Belal, ny tapaky ny volana janoary iny. Tombanana hatramin’ny 100millions d’euros ny fahavoazana vokatry ny fahapotehana sy ny faharavana nandritra izany, raha toa ka ny 82millions amin’izao ho an’ireo olon-tsotra isan-tokatrano, 14 millions ho an’ireo mpiasa na tompona orinasa ary 4millions ho an’ny fitaovam-pifamoivoizana. Raha tsiahivina, namakivaky ny ranomasimbe indianina ity rivo-doza ity ny 15 janoary, ary nitondra tafio-drivotra maherin’ny 250km isan’ora. Voasokajy ho an’isa rivo-doza faharoa mahery indrindra ary niteraka fahavoazana lehibe ho an’ny nosy ity, olona efatra no namoy ny ainy tany an-toerana ary 42.100 kosa ireo rava fananana.
