ActualitésTatitra

Afrique du Sud : Xhosa, fiteny « tonale » ao amin’ny faritra atsimon’i Afrique

Ny teny « tonale » dia vaninteny voatonona mazava tsara amin’ny teny iray. Anisan’ny ampiasaina izany ny fiteny « xhosa » izay ampiasaina ao Afrique du Sud. Olona maherin’ny valo tapitrisa no miteny io fiteny io ao an-toerana, efa mahatratra ny 18% ny mponina nefa izany.

Ny « xh » ao anatin’ny xhosa dia renin-tsoratra fampiasa ao amin’io fiteny io antsoina hoe « clic alvéolaire latéral aspiré ».

Ny fomba nononana io renin-tsoratra io dia amin’ny alalan’ny tsindry kely ny lela amin’ny sisiny, toy ny feo hamporisihana ny sovaly androso ao Europe.

Tenindrenin’i Nelson Mandela ny xhosa.

Laisser un commentaire