Anjeva: Ho tanterahina amin’ny alahady ny lalao ampaha-efa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna
Amin’ny Sabotsy 10 Desambra sy ny alahady 11 Desambra ho avy io no hanatanterahana ny lalao ampaha-efa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna, sokajy lehilahy, ao amin’ny kaominina Anjeva gara.
“Manasa ny rehetra sahady ho avy mandritra ireo andro roa ireo fa hiady ny baolina amin’ireo. Ny Sabotsy, manomboka amin’ny 12h30 ny ekipan’ny Interpool avy eto Anjeva hifandona amin’ny Club M avy ao Mangarano. Amin’ny 02h30 kosa ny FC Salazana Anjeva no hifandona amin’ny JSA Ankadiefajoro” hoy ireo mpikarakara.
“Ho an’ny andron’ny Alahady moa izany, hanomboka amin’ny 12h30 hatrany, ny FC AT avy eto Anjeva tanàna hifandona amin’ny ASFA Faliary. Manomboka amin’ny 02h30 kosa ny JSA 1 Ankadiefajoro hifandona amin’ny FC A2 avy ao Ampahamasina” hoy hatrany ireo mpikarakara.
Anisan’ny lalao entina hanehoana ny firaisan-kina ao anatin’ny kaominina ny lalao tahaka izao. Mampitombo ny firaisan-kina, fa indrindra enti-manandratra avo ny lazan’ny kaominina ka tokony tohanana sy omena lanja hatrany.
Manitra Ramanantsoa
