Sabotsy Namehana: Mpivarotra zava-mahadomelina tratran’ny zandary
Tovolahy iray mpivarotra zava-mahadomelina eny amin’ny faritra Sabotsy Namehana no tratran’ny zandary avy ao amin’ny brigadin’ny zandarimaria Sabotsy Namehana, ny faran’ny herinandro teo. Mbola tratra teny aminy ihany koa ny fonosana rongony miisa 69, araka ny voalaza.
“Taorian’ny fahatratraran’ny an’i Papelika, izay mpivarotra sy mpamatsy zava-mahadomelina tety an-toerana, ny volana mai, dia mbola sahy sy nanao izany ihany koa ity lehilahy iray ity. Ity farany izay mivarotra tsy hampisalasalana ny rongony eo amin’ny toeram-piantsonana ihany” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
“Mila faizina sy omena ny sazy sahaza azy ny olona tahaka izao satria mamotika ny tanora sy ny tanàna. Hisaorana ny zandary ihany koa tsy miraviravy tanana amin’ny fanenjehana azy ireny ary enganie hitohy hatrany ny ezaka amin’ny famongorana azy ireny” hoy i Tojo, mponina ao Sabotsy Namehana.
Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny olon-tsotra nahafahana nanatratra ity lehilahy ity, nosamborina avy hatrany izy taorian’izay. Araka ny voalazan’ny zandary hatrany. Ireto farany moa izay manentana ny mponina hatrany mba ho sahy handray andraikitra sy hitoroka raha misy ny tranga mampiahiahy eny amin’ny fiaraha-monina eny.
Manitra R.
