La Réunion : Hisokatra ny 1 septambra izao ny taom-panjonoana ny pirina
Hanomboka ny zoma 1 septambra izao ny fotoam-panjonoana ara-dalàna ny pirina na « bichique » ao amin’ny nosy La Réunion ary tsy hifarana raha tsy ny faha-29 ny volana febroary 2024. Raha tsiahivina dia nanomboka ny volana desambra 2021 no napetraka ny fitsipika manokana mifehy fanjonoana pirina tao amin’ny nosy izay voafetra ao anatin’ny enim-bolana mba ahafahan’io karazan-trondro io mihavao indray.
Misokatra ho an’ny sehatrin’ny matihanina sy ny mpialavoly ny fanjonoana saingy ireo manana fahazon-dalàna avy amin’ny manam-pahefana ihany no afaka manatontosa izany. Marihana fa misy karazany araikin’ny sokajy ny fangatahana fahazoan-dalàna. Misy ny natokana ho an’ireo mpanjono mpialavoly (amateur/ pêcheur de loisir) an-dranomamy ; ho an’ireo mpanjona matihanina an-drenirano ; ho an’ireo mpanjona matihanina an-dranomasina raha ny fanazavan’ny FDAAPPMA 974 (Fédération départementale pour la pêche et de protection des milieux aquatiques de La Réunion).
