France : Mpampivelona roa nokasihin-tanan’ny vehivavy mitondra vohoka
Fikasihan-tanana, trangana herisetra tsy fahita firy no nanaitra ireo olona tao amin’ny hopitaly ao Marseille. Mpampivelona roa, izay miasa ao amin’ny hopitaly lehibe ao avaratr’i Marseille no niharan’ny fikasihan-tanana nataon’ny vehivavy izay nozahan’izy ireo. Ity vehivavy mitondra vohoka ity, izay noraisin’izy ireo noho ny toe-batany tsy mitovy amin’ny vehivavy rehetra, noho izy manana olana amin’ny fikorotanan’ny saina. Nomeny ny tontohondry ilay mpampivelona nizaha nandritra izany, raha ny voalaza. Rehefa niditra nanampy azy ny iray sy ireo mpanadio tao amin’ny hopitaly dia nodarohany tamin’ny kifafa izay nanandrify azy teo ihany koa. tTaorian’izay, dia noraisan’ny mpitsabo saina, tao an-toerana, an-tanana ny momba ity vehivavy mitondra vohoka ity.
