Afghanistan : Haverina an-tsekoly ireo vehivavy hoy ny Taliban
Nanambara ny mpitondra tenin’ny governemanta Taliban, Zabihullah Mujahid fa haverina an-tsekoly farany izay haingana indrindra ireo vehivavy ao amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa ao Afghanistan. Efa niditra nianatra ny sabotsy teo mantsy ireo lehilahy mpianatra ao an-toerana. Tsiahivina fa nitsahatra ny volana aogositra teo ny fampianarana tao an-toerana.Manahy ny amin’ny fandraràna ireo vehivavy tsy hianatra sy tsy hampianatra toy ny tamin’ny taona 1996-2001 nandritra ny fitondran’ny Taliban nefa ireo mponina ao an-toerana. Marihina fa tsy misy ihany koa ny ministra vehivavy na ny ministera ho an’ny vehivavy ao amin’ny governemanta natsangan’ny Taliban amin’izao fotoana.
