France : Tsy terena intsony fanaovana arovava ao Charente-Maritime
Nihatra nanomboka ny alarobia ity fepetra ity tao aorian’ny fanambarana nataon’ny préfet tao an-toerana. Antony hoy izy ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana. Nilatsaka ny tahan’ny marary izay 38,3% amin’ny mponina 100 000 raha ny antontanisa nivoaka ny talata teo ary efa mahatratra 79,9% ireo nahavita ny fatra voalohany ary 75,6% ny nahavita vaksiny feno.Mitohy nefa ny fampiasana izany rehefa ao anaty toerana mihiboka, toy ny sekoly izay tsy maintsy manao arovava ny zaza mihoatra ny 6 taona, eo ihany koa ny fitateram-bahoaka sy ny toerana ho an’ny daholobe.
