ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Faritra tena hiasan’ireo injeniera mikasika ny fambolena sy ny fiompiana

Fomba iray entina hanomezana endrika ny fambolena ny « permaculture ». Sady ara-pahasalamana ny vokatra no betsaka isan-karazany raha mihoatra ny fambolena nentim-paharazana.

Eny Ambohimalaza no toerana iray eto Madagasikara ahitana izany fomba iray izany, izay manana fenitra telo mitondra azy dia ny fikarakarana ny tany sy ny olombelona ary indrindra ny famokarana sy ny fizarana mitovy. « Ny asa atao no hifampitsarana, ka rehefa mahita ny asa ataonay ny mponina dia hanao toy izany koa, mila mahaleo tena ara-tsakafo isika fa tsy sanatria hanafatra sy hividy eny an-tsena foana amin’ireo sakafo sy zava-maniry isan-karazany » hoy i Rado, mpianatra mikasikany fambolena eny Bevalala.

« Tari-dalana ho an’ny mpiray tanindrazana izao ataonay izao satria tena mahaleo tena ara-tsakafo tokoa izahay, tsy mila mandeha lavitra miantsena fa eto an-tsaha ihany no misy izay rehetra ilainay, tsy mitory tsy misy porofo izahay fa hiaraha-mahita amin’izao asa izao izany » hoy i Tsisalovanina, mpampianatra sady mpitantana ny CEDAR na ny « Centre d’Entraînement au Développement pour l’Autonomie Rurale » any Ambohimalaza, izay manome lanja ny « permaculture » eto Madagasikara. « Tsara ho atao fitaratra tokoa ny toy izao satria manome endrika ny tontolo iainana no tena ara-pahasalamana noho izy tsy mampiasa vokatra simika, manampy betsaka anay aty mihitsy ity ivon-toerana iray ity » hoy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana.

Toerana malalaka tokoa i Madagasikara, ka azo ampiharana ity teknikam-pambolena iray ity. Tsy mifanalavitra amin’ny fambolena ny fiompiana, izay sehatra tena tokony hiseharana sy hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra mihitsy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire