ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Niroso tamin’ny fanadiovana ny tata-drano indray ny kaominina

Tsy mikely soroka amin’ny asa fanadiovana ny tanàna ny Kaominina Ankadikely Ilafy amin’izao fotroana izao. Nanatanteraka asa fanadiovana tatadrano, izay hita fa tsentsina tokoa, izy ireo.

« Rehefa tsentsina ny tatatra ka tsy misy fanadiovana dia mitohana ny rano ka miakatra be manerana ny tanàna rehefa fahavaratra tahakaizao. Ny fofona avoakany ihany koa tena mahafaty ny manodidina sy mandoto ny tontolo iainana mihitsy » hoy i Sedra, mpahay tontolo iainana. « Ilaina koa anefa ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay amin’ny fifehezan-tena tsy hanary fako ao anatin’ireny tatadrano sy eny amin’ny toerana izay tsy tokony anaovana izany » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina.

« Ny fahatsentsenan’ny tatadrano, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao, dia miteraka fanelingelenana maro ho an’ny mpampiasa lalana sy ny manodidina. Koa entanina hatrany isika amin’ny fitandroana ny fahadiovana izay antoky ny fahasalamana sy ny tanàna madio maha te-honina » hoy Rajaonah Rija, ben’ny tanàna Ankadikely Ilafy.

Mila hifandrimbonana tokoa ny fanadiovana, ary ny fihetsika asehon’ny mpitondra tahaka izao dia mamporisika antsika hanaja hatrany ny fahadiovana satria antoky ny fampandrosoana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire