Ankadinandriana : Hanomboka anio ny hetsika « Tsenabe firaisan-kina 2023 »
Hanomboka anio 27 jolay ny hetsika “Tsenabe Firaisan-kina 2023” ao amin’ny kaominina Ankadinandriana. Hetsika ara-java-kanto isan-karazany sy tranoheva, fampisehoana ataon’ireo mpanakanto sy hira gasy no hiseho mandritra ny efatra andro ao an-toerana, araka ny voalaza.
“Ho fanomezana fahafaham-po ho an’ny rehetra dia hisy ny hetsika izay karakarain’ny kaominina, entina hanomezan-danja ny kanto sy hitokanana ireo zava-bita teto an-toerana. Hisy ihany koa ny varotra fampirantiana sy kilalao isan-karazany mandritra izany tsenabe izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Maro ireo hetsika fampisehoana efa natolotry ny kaominina teto an-toerana saingy tsy nahafa-po ny ankabeazan’ny mponina izany. Manantena kosa amin’ity indray mitoraka ity fa hilamina sy hihatsara ny fandaminana ka tsy handiso fanantenana ny maro” hoy i Nirina, mponina ao Ankadinandriana.
Mbola mampiavaka ny kaominina Ankadinandriana ny tsenabe sy ny hetsika ara-java-kanto manandratra ny maha Malagasy. Manomboka anio 27, hitohy rahampitso 28,29 ary 30 jolay ity hetsika ity ary hiova isan’andro ireo hetsika ho hita mandritra izany.
Manitra R.
