Ambohimandroso Antsirabe: mampitaraina ny haratsian’ny lalana
Velon-taraina ireo mponina any amin’ny kaominina Ambanivohitra Ambohimandroso Antsirabe amin’ny faharatsian’ny lalana any an-toerana. Mamotaka ny lalana satria lalan-tany kanefa dia toerana tsy lavitra loatra ny tanan-dehibe no misy an’Ambohimandroso. Amin’izao fotoana izao dia na ny sarety aza efa sahirana mampiasa ny lalana.
“ Mahatsiaro tena ho tananà lavitr’andriana tsy misy mpiahy izahay aty Ambohimandroso. Ny fiainana ianana efa tsy lazaina intsony, izao koa ity ny lalana tena ratsy. Tsy izao mihitsy no nampanantenain’ireo mpanao pôlitika anay nandritra ny fampielezan-kevitra ka manao antso avo izahay mba jereo fa mijaly sy mahantra, hatramin’ny lalana efa tsy azo ampiasaina intsony.” Hoy i Bako renim-pianakaviana
Nanamafy ny antso nataon’ireeo mponina ihany koa ny solontenam-panjakana any an-toerana satria efa manahirana sy mitera-doza ho aan’ireo mpampiasa azy ny lalana. “ Iaraha-malala tsy takona afenina ny faharatsian’ny lalana aty Ambohimandroso. Mijaly ny mpampiasa lalana na ny sarety izany na ireo fiara mpitatitra vokatra. Mangataka izahay ny hanomezana famatsiam-bola hanamboarana ny lalana na handefasana mpandraharaha hanamboatra azy na dia vojimaika fotsiny ihany aza aloha.” Hoy ny lehiben’ny Fokontany iray any an-toerana.
Ambohimandroso dia tanana Ambanivohitra ary ny akamaroan’ny mponina any an-toerana dia mifototra amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Ankehitriny anefa dia sahirana izy ireo na ny amin’ny fitanterana ny vokatra hihazo tanan-dehibe aza satria miha vitsy ireo fiara mpitatitra entana no manaiky ho any an-toerana vokatry ny faharatsian-dalana. Miandry ny tompon’andraikitra noho izany ireo mponina amin’ny fandraisana andraikitra amin’izao zava-misy izao.
Miranto Andrih
