ActualitésSportTsidika

Alasora: Fandaharam-potoana amin’ny fifaninanana baolina kitra “tournoi du maire 2023”

Mitohy hatrany ny fifaninanana baolina kitra «tournoi du maire 2023 » ao amin’ny kaominina Alasora. Efa nivoaka ny fandaharam-potoana amin’ireo lalao hiseho mandritra ny faran’ny herinandro amin’izany.

« Tournoi du maire 2023 izay lalaovin’olona 11. Ny alahady izao indray no fotoana hifanaovana eny amin’ny kianja Est-Mahazoarivo. Hanomboka amin’ny 09 ora maraina dia hisy ny lalao hifandonan’ny ekipa avy eny amin’ny fokontany Sud Ambohibato sy Amabodivondava. Manaraka izay ny lalao hifandoanan’ny fokontany Mahitsy sy Ambodivoanjo » hoy ireo tomponandrakitra avy amin’ny kaominina.

« Efa vonona avokoa ny ekipa mpilalao rehetra. Ireo mpanohana sisa no andrasana ary anentanana ny rehetra isam-pokontany ho avy hanatevin-daharana ireo mpanohana eny an-kianja” hoy ireo mpikarakara ny lalao.

Tsy manao ambanin-javatra ny fikarakarana ny tanora indrindra ny lafin’ny fanatanjahan-tena, ny kaominina Alasora. Fomba iray hitarihina ny tanora no fampivelarana azy ireo amin’ny sehatra isan-karazany ny fanatanjahan-tena ka tokony omena vahana sy lanja, raha ny voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire