ActualitésTsidika

Fanatanjahantena: Laharam-pahamehana tanteraka any JIOI amin’ity taona 2023 ity hoy ny Minisitra

Nanambara ny Minisitry ny Fanatanjahantena vaovao dia I Haja Resampa fa laharam-pahamehana ny fandraisan’ny Madagasikara ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11 amin’ity taona ity. Asa laharam-pahamehana ho azy ny hahatomombana antsakany sy andavany io lalao io. Efa miasa tsy miato ihany kao ankehitriny ireo Komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy 2023.

“Samy manao ny ainy tsy ho zavatra avokoa ny mpisehatra tsirairay avy manomboka hatrany amin’ny mpilalao hatrany amin’ny mpikarakara hahafahana manome ny tsara indrindra. Tsy maintsy hisy ny fihaonana iraisam-pirenena hahafahana mpifampiresaka mahakasika ny fikarakarana ato ho ato”, hoy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

“Raha ho an’ireo mpilalao Malagasy kosa dia efa maro ireo lasa niofana any Chine, mbola eo am-panomanana ny fandehanan’ireo izay handeha any Dakar, Kenya, Tunisie, Etats-Unis, Afrique du Sud ary Thaîlande izahay amin’izao fotoana izao. Izany rehetra izany no asa betsaka miandry ny mpikarakara rehetra ankoatra ny fikarakarana ny fandraisana ny lalao”, hoy ny solontenan’ireo mpikarakara.

Asa lehibe sady voalohany tsy maintsy hatao ny hahatomombana io lalaon’ny Nosy io araka ny fangatahan’ny Filoham-pirenena, hoy hatrany ny Ministiry ny Fanatanjahantena.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire