Dépêches

Foto-drafitr’asa: Aman-tapitrisany ireo mponina sahirana amin’ny fivezivezena.

Dépêche 27 février, 11h30, Ny lalana eto Madagasikara dia mbola mitoetra ho olana hatrany amin’izao fotoana izao ary mitondra makany amin’ny fahantrana amin’ny lafiny maro. Ny ankamaroan’ny lalana dia mbola tany ary ratsy ka sarotra handehanana. Miisa 17 tapitrisa amin’izao ny Malagasy mbola sahirana amin’ny fifandraisana amin’ny hafa noho io lalana io. Izany no tokony laharam-pahamehana amin’ny asa rehetra satria izany no hampiakatra ny toe-karena amin’ny fivoahan’ny vokatra isan-karazany isam-paritra.

Laisser un commentaire