Nihaona ny Minisitry ny Kolontsaina frantsay sy malagasy
23 Novambra, 09h00. Nihaona i Roselyne BACHELOT, Minisitry ny Kolontsaina frantsay sy i Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina malagasy omaly tolakandro. Anisany nodinihin’izy ireo tamin’izany ny fampodiana ny « Kabeson’ny Mpanjaka Sakalava TOERA », araka ny fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika malagasy, Andry RAJOELINA. Efa miroso ny fanadihadiana ara-teknika sy ara-tsiantifika (identification ADN) amin’ireo karandoha tehirizina ao amin’ny « Musée National d’Histoire Naturelles » na ny « Musée de l’Homme mba ahalalana izay tena Kabeson’ny Mpanjaka Toera raha ny fanazavana. Nanambaran’ny minisitra malagasy nandritra io fiaonana io ihany koa ny fangatahan’ny firenena malagasy hampody ireo vakoka ara-kolontsain’i Madagasikara izay mbola tazomin’ny firenena frantsay. Tapaka tamin’izany ny fandefasana mpikaroka malagasy hamantatra ireo vakoka malagasy ireo.
